ONTM-CTM INSECURITE

Tao aorianan’ireo fanafihana nisesy nitranga tamin’ny fizahantany teto Madagasikara, ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM), ny Office National du Tourisme de Madagascar (ONTM) sy ireo mpikambana rehetra ao aminy ary ny mpiantsehatra rehetra eto amin’ny fizahantany eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao.

  1. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ilay mpiseradia nationaly maty ary mankahery ireo naratra mba hahazo fahasitranana aingana
  2. Manameloka tanteraka izao asan-jiolahy miaro habibiana izao sy ireo fanafihana mpizahantany, gasy na vahiny, maro nitranga nanomboka ny voalohan’ny taona 2018, na taiza na taiza teto Madagasikara
  3. Miantso sy manainga ny tompon’andraikitra mahefa rehetra, na sivily na miaramila, eto amin’ny firenena handray fepetra hentitra sy haingana ho fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny asany.
  4. Tsy hanao ambanin-javatra ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena izay antoky ny fandrosoan’ny fizahantany. Iarahantsika mahalala fa ny fizahantany dia manana anjara betsaka eo amin’ny arikarenam-pirenena.
  5. Ny CTM sy ny ONTM dia efa samy nandray ny andraikitra tandrify azy avy, ho fanohizana ny asa fampandrosoana ny fizahantany eto Madagasikara
  6. Manantena fa tsy ho taraina very ako izao ataonay izao.
  7. Ho an’ny Fizahantany, ho an’ny fampandrosoana, ho an’i Madagasikar

Partager cet article